FENOAMBY

Site officiel de Fenoamby

…………………………………………………………………………………………………………………………………

Anao avao ny tiako

Hatolotra ho anao
Amin’ity hira ity
Ahavitako mitantara
Ny fitiavako anao
Izay tsy voalaza taminao
Teo ampiresahana
Tsy haiko izay ambara
Ny hafantaranao ny fidobokin’ny foko
Nefa ianao tsy nahalala ny hetahetako
Lasa ny fisainana nandalina ny heritreritrao
Tsy hita izay lazaina fa nandinika ny hevitrao
Ka hoy aho hoe
Anao avao ny tiako
Anao avao ny tiako mba hiarahana
Anao avao ny tiako mba ho sipako
Anao avao ny tiako mba hifandrasa
Amin’ilay fitiavana
Amin’ilay fitiavana mameno ny foko
Raisiny amim-pitiavana
Ny tonon-kalo sy hira izay nampalalanao azy
Efa fantany hatrin’ny ela marina fa tena tia azy anao
Fa tsy fantany na ho ela na vetivety hiany ny hitiavanao azy
Ka hoy izy hoe
Anao avao ny tiako
Anao avao ny tiany mba hiarahana
Anao avao ny tiako
Anao avao ny tiany mba ho sipany e !
Anao avao ny tiako
Anao avao ny tiany mba ho namany e !
Amin’ilay fitiavana
Amin’ilay fitiavana mameno ny fony

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

Slam pour la paix

Je ne suis pas née sur la lune , ni sur Mars , ou Jupiter
Mais je suis née sur la planète  terre
Là où je suis, je suis chez moi
Là où je suis né, c’est chez mes ancêtres
Voyage d’ici et d’ailleurs cherche un monde meilleur
Vivre ici ou là-bas, on doit être heureux
Voyage d’ici et d’ailleurs cherche un monde meilleur
La vie c’est un mystère, l’amour c’est le bonheur
IL y en a qui viens ne du Sud, et ceux qui viens du Nord
De l’est à l’ouest soleil levant ( le vent ) , il est pour tous les mondes
Qu’importe la différence, on doit ce respecter
Slam pour la paix , vive la liberté
Si vraiment nous sommes tous venues de la terre
Qu’importe ce qui dit la science, la religion, et la politique
Notre descendance a une seule racine ,et soyons unis
Pour être un bon vivant, il faut avoir le cœur plein d’amour
Sans haine , sans rancœur et tu seras heureux
L’intelligence c’est le savoir, le respect et surtout la sagesse
Les apparences ne sont pas nos différences
On est pas transparent, on a du mal accepter la tolérance
La communication est importante, fais lui comprendre sans violence
Ce qui nous qualifie en tant qu’être humain
C’est d’avoir du cœur savoir pardonner
On ne doit pas avoir l’esprit raciste
Car nous feront tous partie de la race humaine
La jalousie est une chose normal
Mais non pas jusqu’au point de s’entre tuer
Si le maître de l’univers nous a mit ici sur terre
Ce n’est pas pour faire la guerre car nous sommes tous ses êtres chère
Chacun l’appel autrement mais IL est unique a son égale
Fais ta prière à la bonne manière avec la foie , Dieu t’écoute par ton cœur
Même si les dix commandements qu’IL nous a donner
Qu’on les a multiplier par millier
Ce qui est sur dans tous sa il y a qu’une seul vérité
C’est l’amour , c’est l’amour , c’est l’amour

Tous ce qu’IL nous donne c’est avec amour  .

C’est Lui qui donne la vie et c’est Lui qui doit la reprendre ,

d’après ce que j’ai a pris : Dieu est amour

Slam pour la paix , vive la liberté

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)
…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

Halako

Tia izaho mba tiako
Fa fataon-draha tsy mahateky e
Rô-mazava be-rano
Alako mandany sira
Somondrara tsy tola
Alako mandany vola
Viavy mihevitra fa farany tsara e
Alako magnary jery

Alako! Alako! Alako! Alako!

Na tsara tarehinao viavy
Fa tsy io ny hitiavako anao
Fa fanara-toetra ny mahalava
Mahalava mahalava ny fikambanagna
Viavy miheritrereta miheritrereta
Anao viavy e haoïra

Viavy tsy hagnano tsimaitsy
Mahita tambagna tsy haviany e
Sintrany k’aza ampijaliagna tegna
Fa iny viavy iny viavy tia vola
Manafo miheritrereta miheritrereta
Atsika manafo haoïra

Auteur  compositeur : Fontaine Paul Marius ( Fenoamby)
…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

ANDAO ATSIKA HIFANKATIA

Izaho tsy mankahala anao
Karaha anao tsay malaina izaho ny fiheverako ô !
Karazana araiky tanay araiky aviana
Fankalala fomba tsy fagnano ratrsy rô havako ô !
Samy zanatany atsika mihavanaby
Taranaka araiky famonjivonjy anao namako ô !

Oh! Inô andao atsika hifankatia e îa !
Tsy fagnano ratsy
Andao atsika hifankatia e îa !
Fa famonjivonjy e !
Andao atsika hifankatia e îa !

Izaho tsy mankahala anao
Karaha anao tsay malaina izaho ny fiheverako ô !
Zaza maro an-trano tsy hialany adihady
Na migidragidra tsy mitana am-po fa fandefitra e !
Ny fahalalana sy fahendrena
Fanagnanantsika tsiaraikiaraiky anao namako ô !

Oh! Inô andao atsika hifankatia e îa !
Tsy fagnano ratsy
Andao atsika hifankatia e îa !
Fa famonjivonjy e !
Andao atsika hifankatia e îa !
Tiako tianao zaho ô! Izaho sy anao.Andao atsika hifankatia e îa

Tôvovavy maro ampagniry mazava fo , tsy mba miavonavona
Manambatagna tsara bika, tsotra sady malemy fanahy
Tsy moramora vingitra. Mazoto mikarakara
Manaja ny mankatia , mitady hankamafy ny fihavanana
Miray hevitra mampilamina, fiarahana an-trano araiky

Tsara toetra maro ampagniry mazava-fo tsy mba manafitohina
Managna tany midadasika misy lovainy zafy aman-janaka
K’aza avela baboina mihombona fa tsy misaraka
Omeo haja ny zavakanto mba hankamafy ny fihavanana
Miray hina ny mampatanjaka fiarovana tanindrazana

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius (Fenoamby)
…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

ANDRIASO TETEKY

Andriaso teteky é !
Andriaso teteky é !
Andriaso teteky é ! vao mala sasatra

Andriaso teteky é !
Andriaso teteky é !
Andriaso teteky é !
Andriaso teteky é ! vao mala sasatra

Andriaso teteky é !

Mbola maro ny raha karakaraigny
K’aza lanigny fotoana fa efa ely ny sisa tavela
Mbola maro ny raha karakaraigny
K’aza lanigny fotoana fa efa ely ny sisa tavela

Mikarakaraka ny tambagna be ny taba
Mikarakaraka ny tambagna
Ataôva ny asa amimpiraisankina
Fa famonjivonjy ny tsara

Eh ! Rabako Ravao Palé . Eh ! Rabako Ravao Palé
Anao tsy marary fa malain-kiasa
Nefa mahalany vary iray sahafa
Avy ilay makasy-be . Avy ilay makasy-be
Manapatapaka ilay patry-be
Anao efa te-holasa vazaha-be
Mandany andro eny aminy hara-be
Voilà st-Denis c’est la grande ville mihetsiketsika ny aotomobilina
Point misy rambony dia virgule hirogiroka farany point final
Eh ! Rabako Ravao Palé . Eh ! Rabako Ravao Palé

Auteur  compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)
…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

DONNE-MOI DE L’EAU

Eau ! eau ! eau !eau !eau ! !

Foto-pivelomana ho antsika  na ny zava-boahary
Fanala hetaheta sady manasa izay malota
Tsisy rano ô! Tsisy koa ny raha hivelomantsika
Mamono sady mamelona ô ilay rano

Donne-moi de l’eau ,donne-moi l’eau
IL fait chaud ,il fait chaud

Eau ! eau ! eau !eau !eau !

Me come to burn the place like  a reggae singer
Now I am thirsty my throuth is in fire
Me just call the spirit of mamy water
Make she give something soft to cool my temper

Un soir j’étais inviter chez des amis , pour une petite fête anniversaire , A l’apéritif j’ai but punch des îles. Passer à table
Du vins années 60 . Après dessert quelques coupe de champagne et la soirée commence à la musique d’ambiance

Là ! là ! là ! là ! là !là ! là !là !là ! là ! là ! là ! là ! là ! là ! là

Misy ny rano mamy e ! Misy ny hatao hoe koa rano mangidy e !
Rano mangidy rano mahasalama misy koa ny mahamamo
Izay hatao hoe toaka , toaka rano mahery , ary mety lasa mapatanjaka , eau ilay rano eau , eau ilay rano eau

Donne-moi de l’eau ,donne-moi l’eau
IL fait chaud ,il fait chaud

Eau ! eau ! eau !eau !eau !

Transpirer par la danse  boire la bière bien fraîc
Le  lendemain matin oh ! là ! là !là . J’avais la tête qui tourne
La gorge sèche, c’est le vertige la roulis total . J’attaque au jus des fruits quelques tisanes , plus je bois et puis j’en veux encore . Ce qui passe mieux c’est de l’eau minérale pour moi
IL y a de l’eau salé , il y a de l’eau sucré , il y a de l’eau amère
IL y a de l’eau douce , et moi je veux de l’eau douce
Goulou goulou goulou !gala gala gala migiaka koa migiaka

Eau ! eau ! eau !eau !eau !

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

FOMBA-NAHY TSY HIALAKO

Misy ny mitsaho antegna aminy fomba
Tsy hanagnantegna heritreritra
Lasa anao mirediredy
Fa fomba-nahy tsy hialako
Ny magnankolatra antegna
Amin-draha tsy natao f’izy miahiahy
Midridragna ny tia volagna
Fa fomba-nahy tsy hialako

Fivoan-draha manaraka afara
Nanadary ny lamody
Ny manevanao ny ataova
Fa fomba-nahy tsy hialako
Nahita ny ankanga tsara vola
Nagnary ny akoho tamagna an-trano
Sao manegniny aminy afara

Fa fomba-nahy tsy hialako
Fa fomba-nahy tsy hialako
Fa fomba-nahy tsy hialako
Fa fomba-nahy tsy hialako
Fa fomba-nahy tsy hialako

Moramora anao miaramila e !

Auteur-compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

HETRA

Laniko volan’ilay hetra e !
Laniko volan’ilay hetra e ! ïa !
Laniko volan’ilay hetra e !
Laniko volan’ilay hetra e ! ïa !
Azafady ragôva Azafady ragôva
Ô ! ragôva Ô ! ragôva

Maromaro zaza an-tragno koa
Mitombo hisa koa ny andraikitra
Avy vola amidy ronono , avy vola amidy sakafo
Ndraiki-ndraiky misy marary koa
Hentina amindreo mpitsabo tena
Avy vola amidy ahody , avy vola

Amidy fanafody e e !
Lany ny volan’i haba , lany ny volan’i haba
Amidy fanafody e e !
Lany ny volan’i haba , lany ny volan’i haba
K’aza very e , k’aza very e ,
K’aza very e , k’aza very e . Very fananana

Rehefa tonga faravolana . Ndraindray tonga ny karama
Nefa tsimaintsy tonga ny fampilazana
Mampilaza izay efa lany
Tsy harakaraka ny fahazahoana
Ny hanefana izay tsimaintsy haloa
Avy vola hanefana trosa , avy vola hanefa fondron-trano
Lany ny volan’i haba , lany ny volan’i haba

Hanefa jiro sy rano ô !
Lany ny volan’i haba , lany ny volan’i haba
K’aza very e , k’aza very e .
K’aza very e , k’aza very e . Very fananana

Laniko volan’ilay hetra e !
Laniko volan’ilay hetra e ! ïa !
Azafady ragôva Azafady ragôva

Auteur  compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

IDOLA ZAHO NIANY

Eh ! e e hidôla zaho niany
Eh ! e e hidôla zaho niany
Eh ! e e hidôla zaho niany
Eh ! e e hidôla zaho niany

Nangala voady i zama
Teraka zazalahy ilay zena

Eh ! e e hidôla zaho niany

Tsisy tsy naharegny ny antso
Ny Havagna jiaby navy namangy e …

Eh ! e e hidôla zaho nia

Omby mazavaloha ny tolotra
Sorona nagnanaovana jôro ô…

Eh ! e e hidôla zaho niany

Mandria-mandria anao omby
Mandria-mandria
Mandria-madria anao omby
Mandria-mandria
Vola fotsy andekaleka
Ravin’asigny anaty rano manintsy
Kobay jôby antagnan’I dadilahy
Hampadriana ny aomby
Ambody kakazo

Mandria-mandria anao omby
Mandria-mandria
Mandria-madria anao omby
Mandria-mandria

Mangala voady
Mangala tsakafara e
Haravoagna antena nahazo ny tsara e ïa !

Magnano fisaorana
Tsy hanadigno ny razagna é!

Mandria-mandria anao omby
Mandria-mandria
Mandria-madria anao omby
Mandria-mandria
Vola fotsy andekaleka
Ravin’asigny anaty rano manintsy
Kobay jôby antagnan’I dadilahy
Hampadriana ny aomby
Ambody kakazo

Mandria-mandria anao omby
Mandria-mandria
Mandria-madria anao omby
Mandria-mandria
Mandria-mandria, mandria-mandria, mandria-mandria, mandria-mandria

Auteur et compositeur: Fontaine Paul Marius (Fenoamby

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

HO ALA AREO

To valy  zaho  lahy aby e e e îa !
To valy zaho lahy aby e e e îa !
Yé é é Ho Ala areo ô ô ya !

Taogna maromaro tsy fankahita e
Fa mbola tsy nagnadigno
Izaho nanignanao anao nanign’izaho
Ka navy namangy e îa
Yé é é Ho Ala areo ô ô îa !

Rombotagnana atsika jiaby
Mondrômbo tsy magnaraka mampijaly
Tsy mankazoto fa mampisalasala
Misalasala maha-lany fagnahy
Lany fagnahy tsisy ny halahelo
Tsisy halahelo fa samy ravoravo ô
Yé é é Ho Ala areo ô ô îa !

Efa elaela mba to-fanôjô
Fa tsendrik’aminanjara
Tonga niany ny andro hitrahôfantsika e
Hifaly sy ravo ô îa !
Yé é é Ho Ala areo ô ô îa!

Sao anao mandalo mba mamangia
Tanana niterahako Ampanefena
Ampanefena atsimon’i Vohémar
Latsaka avarabaratr’I Sambava
Sambava tanana mihetsiketsiky
Antalaha malaza amy lavany
Mipetraka Andapa tsy matiny mosary e !
Yé é é Ho Ala areo ô ô îa !

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

ILAY MALALANY

Oh ïé ! oh ïé ! miandry ampanantenana ilay malalany
Oh ïé ! oh ïé ! miandry ampanantenana ilay malalany
Hisan-andro vaky izy rô tsimaintsy tara mody an-trano
Hisan-andro vaky izy rô tsimaintsy tara mody an-trano
Na andro fihasagna , na andro tsy fihasagna Izy tsimaintsy tara
Azôvy-azôvy izany moa zalahaby e îa !

Izy hitanao hisan-andro tsimaintsy an-trano toaka
Izy hitanao hisan-andro tsimaintsy an-trano toaka
Na izy manam-bola na izy tsy manam-bola izy tsimaintsy mamô
Azôvy-azôvy izany moa zalahaby e îa !

Izany tsy zaho ê !

Miasa loha lava isan-andro ny vady ao an-trano
Ka tsy tafandry mandry
Fa manantena sady miandry ny hiaviany
Aïza moa izy izao ô ?
Tsy nampoiziny taminy taloha ny nanjo azy izao
Tsy hoe tsy fankatia fa !
Nony fahasarotan’izay hasa ataony
Mametra-pahatokisana amin’ilay tiany
Manaiky sady mino ilay fitondrasantenany
Mafy ny fitiavana
Maha-njamba aminy ratsy

Oh îé ! oh îé ! Oh îé ! oh îé ! Oh îé ! oh îé ! Oh îé ! oh îé !

Modia e!        Oh! Ry tina

Malahelo sady mitomany , mitomany lava
Ka tsy mahita tory
Fa lasa miheritreritra aïza izay nalehany
No tsy tonga amin’izao
Sao dia misy loza
Fa tsy lasan’olon-kafa
Oh! ry ilay malala ! malalany  !

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

Kekeko

Kekeko ô akoholahy magneno
Kekeko ô akoholahy magneno

Sarotra ny miala raha mahazatra é !
Sarotra ny miala raha mahazatra é !
Jaolahy an-tanin’olo tsy mitregny e ïa !
Jaolahy an-tanin’olo tsy mitregny e ïa !
Mitadrema tsara-be anao sao diso
Mitadrema tsara-be anao sao diso
Fa diso aminazy ty niany mahafa-baraka
Fa diso aminazy ty niany mahafa-baraka

Kekeko ô akoholahy magneno
Kekeko ô akoholahy magneno
Kekeko ô Kekeko ô Kekeko ô Kekeko ô

K’aza manaiky vonoind’olo
Na misy ny fahatahorana
Fa ngovo-be sandry-be tsy mitahy miady e
Fatokisana sady mahafatoky fa ataova
Andoha ny saina
K’aza taitra ianao fa io mandeha hoazy e
K’aza manaiky vonoind’olo
Na misy ny fahatahorana
Fa ngovo-be sandry-be tsy mitahy miady e
Fatokisana sady mahafatoky fa ataova
Andoha ny saina
K’aza taitra ianao fa io mandeha hoazy e

Anao tovolahy matanjaka

Auteur  compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

LA PAUSE QUI S’IMPOSE

Tu me dis qu’il est peu paresseux
Ça je ne crois pas car tu sais pourquoi
Il a travaillé du lundi jusqu’au vendredi sans arrêt
Maintenant , le repos qui s’impose

Pause- pause-pause! Pause- pause-pause !
Pause- pause-pause! Pause- pause-pause !

Tu ma dis qu’elle est peu fainéante
Ça je ne crois pas car tu sais pourquoi
Tu ma dis qu’elle un peu paresseuse
Ça je ne crois pas car tu sais pourquoi
Samedi dimanche même les jours fériés
Il faut qu’elle se lève de bon matin
Maintenant , le repos qui s’impose

Pause-pause-pause ! Pause- pause-pause !
Pause-pause-pause ! Pause- pause-pause !

C’est la pause qui s’impose, c’est la pause qui s’impose
C’est la pause qui s’impose, c’est la pause qui s’impose

Tu ma dis qu’il ne roule pas très vite
Ça je ne crois pas car tu sais pourquoi
Après avoir fait  deux cent kilomètres d’autoroute
Maintenant , le repos qui s’impose

Pause-pause-pause !  Pause-pause-pause
Pause-pause-pause !  Pause-pause-pause

Lever le pied , doucement turbo chauffeur
Lever le pied , doucement turbo chauffeur

Fampitsikitsiky izaho sy anao ô !
Satria falifaly e !
Fampitsikitsiky sady falifaly e !
Fampitsikitsiky izaho sy anao ô !
Satria falifaly e !

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

FAHAVALO

Qui est l’ennemi de l’ennemi de son ami ?
L’ennemi de l’ennemi de son ami c’est lui
Qui est l’ennemi de l’ennemi de ton ami ?
L’ennemi de l’ennemi de ton ami c’est toi

Iza ho lasa fahavalon’isa e
Iza ho lasa fahavalon’isa a
Iza ho lasa fahavalon’isa e
Iza ho lasa fahavalon’isa a

Jerijereo amin’izay fahavalo ô
Jerijereo amin’izay
Jerijereo amin’izay fahavalo ô
Jerijereo amin’izay è è è

Isa nanomboka
Faha-roa vehivavy
Telo fandamina
Efatra ny ranjo
Dimy hemboka
Enina mangamanga
Fito paraky valo tanatana
Andriamainty-be ny papango
Nipaoka akoho kely dia namango
Kely mpitsoka farara ny takatra
Lava tanana tsy miasa ny foza
Body kely matavy ny tôho ô !

Amboara lay valy halamina ny saoma e îa !
Fa ity ny asa vary e
Amboara lay valy halamina ny saoma e îa
Fa tsisy tandrametaka

Amboara lay valy halamina ny saoma e îa
Fa ity ny asa vary e
Amboara lay valy halamina ny saoma e îa !
Fa tsisy tandrametaka

Tsisy, tsisy, tsisy, tsisy, tsisy manano sarisary marary e !
Tsisy, tsisy, tsisy, tsisy, tsisy manano sarisary marary e !
Hay anarô, hay anaro, hay anaro jiaby
Tsisy mandrabolaika
Na mandany lera
Aza famosavy
Na fanola-baratra

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

FANAJANA

Fomban’olo migidragidra
Tiako atsika mba mifankahazo ô
Fomban’olo misara-belona
Tiako atsika mba mifagnampody e
Efa hafaka taminy taloha
Atsilka tsy fankatoky, satria tato afarafara
Fampiarahaba sy fandray tanana
Hataoko fa mba hoisy eky ny fanajana
Maha olombelona ny olombelona ô
Fifanajana  fifanajana
Sôra ratsy sarotra hivoana
Fa jery tsy mety misy fanoloana e
Kakazo boribory natao sokera
Fanamboarana  ny mahalavovary e
Ny olombelona tsimaintsy ho diso
Mibebaha anao koa efa resy e
Efa hafaka taminy taloha
atsika tsy fanara-toetra
Satria tato afarafara
Mba fampitsiky raha fankahita
Hoatriny samby nahatsapa fa diso ô ô
Fandifera e e fa diso ô ô fandifera e
Fa diso ô fa diso ô
Mba mifanaja e ny tsara , mifankatoky e ny tsara

Mba mifanaja e ny tsara , mifankatia e ny tsara

Auteur  compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

LA GERA

Na tianao zaho na tsy tianao
Nefa izaho indraiky tsy hamono-tegna
Tian’olo antegna tsy ahody fahignana
Halan’olo antegna tsy hofaty amaraigny e
Izany ny ohabolan-drazagna

Aza atao saoma la gera , aza atao saoma la gera
Aza atao saoma la gera , aza atao saoma la gera
Aza atao saoma é!  , aza atao saoma é!

Na ny olo marina na be fahotana
Tsimbola nisy velona mandrakizay
Nahoana mifamono na mamono-tegna
Fa ny fihainagna eto antany dia olo miara-dia
Mitady paradizy na ny ofobe
Izay hilainao dia hoazonao hiany
Mandeha mitady lavitra mazahoa anjara
Izay magniry mba teho-anagna mazahoa anjara
Kidikidiny sasany fampitifitra basy
Fa ny kilalao tiako dia mihira gasy
Ny hasan-hadraharam-panjakana sy ny mpanao zavan-kanto
Fikendry anankiray fa fanaovana samy hafa
Na mihodinkodina ny làlana na misampasampana
Fa k’aza misy sampona
Tohina ny mandry fohaza ny matory ô !
Tànana havia manasa ny havanana
Tànana havanana manasa ny havia
Avia f’anao ny Havana
Mba fanipy teny fampiresadresaka
Nony mbola lava ny aleha
Tsisy fanora-bato na poa-basy
Na mandatsa-baomby
Tsisy fanora-bato na poa-basy
Na mandatsa-baomby

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

L’ARGENT

Navy i Zaman’iJao ô ïa
Taranak’i Rabemanana
Navy i zaman’i Jao ô ïa
Taranak’i Rabemanana

Nanam-bola nanan-kariagna
Tsary mba nisy hasaloha
Nanam-bola nanan-kariagna
Tsary mba nisy hasaloha

I Zamanijao ô ! , I Zamanijao ô !

Nalaza najain’olo, nanampahefana
Nalaza najain’olo, nanampahefana
Tsary mba nahay ino jaly e ïa
Tsary mba nahay ino jaly e ïa

I Zamanijao ô ! , I Zamanijao ô !

Nandeha ny andro
Niova ny taognô
Niova koa ny fihainana
Toa tsisy ampiteny e
I Zamanijao ô !

Naty va nialam-pahinana rô ah ?
Veta sa nialan-kariagna rô ?
Naty va nialam-pahinana rô ah ?
Veta sa nialan-kariagna rô ?

I Zamanijao ô Lasa aiza izy é I Zamanijao ô Lasa aiza izy é !

Agnantsindra be ravina taloha fa tsy avaizo. Anao nalaza
Ampagnarivo veta tsy hialam-pôtipôtiny e

Tsy hialam-pôtipôtiny e
Tsy hialam-pôtipôtiny e
Tsy hialam-pôtipôtiny e Tsy hialam-pôtipôtiny

Auteur  compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MAMAN , ANAO TIAKO

Maman, anao tiako
Maman, anao tiako
Karaha anao tia izaho

Maman, anao tiako
Maman, anao tiako
Karaha anao tia izaho

Anao nahaizako ny fihainana
Nahitako ny masoandro ô !
Niharitra ny maharary tao ampiterahana

Maman, anao tiako
Maman, anao tiako
Maman, anao tiako
Maman, anao tiako

Na dia lavitr’anao izaho maman
Tiako anao ô !
Tsy manadino anao izaho maman
Tiako anao ô !
Mahatsiaro ny fahazazana
Tiako anao ô !

Niezaka anao nananatra izahay e mba ho tafita a
Nefa zaho tsy nino satria mbola zaza ny fanahy e
Mbola tsy ampy heritreritra handinika izay mbola ho avy e
Tato afara vao taitra, anefa tokony hiezaka

Maman, anao tiako
Maman, anao tiako
Maman, anao tiako
Maman, anao tiako

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MARIAGE

Ya é é é îa Ya é é é miminiminia raha

Tsara eky sôranao fa k’aza manano ratsy arô
Tsy mety e miady ny anjaran’olo ô !

Izaho drako na ratsy ratsy nataon-Zanahary
Zaho tsy malahelo ô ô
Fa faly izaho mahita anao ô !

Ya é é é îa !
K’aza meky e manambady tanora
Fa mijaly jery e e îa !
Karaha hitanao tsy tsara ny antranonao
Koa mahita ny hafa e îa e îa !

Tsy mandrara manamba izaho zalahaby

Miminiminia raha vao malakan-trano
Mitandrema tsarabe vao malakan-trano
Miminiminia raha voa malakan-trano
Mitandrema tsarabe vao malakan-trano
Miminiminia raha vao malakan-trano

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MBOLA HOAVY

Nilaozanao izaho iray volana
Hoatrin’ny efa lasa erin-taona ô
Nilaozanao iza iray volana sy sasany
Hoatrin’ny efa lasa erin-taona mihoatra
Hanao ahoana ny fihainako raha hilaozanao izaho
Handritra ny taona maromaro

Ah! Vady e vady malalako
Tsy foiko malalako tiako

Mbola hoavy mbola hoavy
Mbola hoavy vady malalako

Tu es partie pour un mois de vacances
Comme si c’était déjà un an de plus pour moi
A quoi va ressemble ma vie sans toi si tu me quitte
Pour quelques années
Depuis que tu es partie
Je ne peux pas m’endormir
Sans regarder ta photo afin !
Que je puis voir ton image dans mon rêve
En espérant que tu reviendras bientôt

Misy raha nitomany arô
Teny ambony lanitra iny e
Nijereko fa vorondreo arô
Nitsidina eny ambony habakabaka
Ngôma sady nitomany arô
Izaho tamin’io fotoana e
Nankaiza rô ilay malalako malalako tsy foiko
Ah! Vady vady malalako
Tsy foiko malalako tiako
Mbola hoavy mbola hoavy
Mbola hoavy vady malalako

J’entend une mélodie là haut dans le ciel
Je regarde et je vois l’oiseau qui s’envole dans l’espace
J’ ai pleuré du chagrin et de nostalgie
La seule question que je me pose
Où est ma chérie
Où est mon amour

Mbola hoavy mbola hoavy
Mbola hoavy vady malalako

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

Mbola tsara

Mbola tsara anarô jiaby
Fa izahay ty navy eto ô
Izahay navy eto ô

Navy eto hisaoma mozika e !
Salama ary henoy tsara
Fa mozikanay ty salegy e !
Anao koa koa te-hitsinjaka
Mahazo mandihy fa
Ataovy ampilaminana

Tompo-tanana mba nagnaja vahiny e !
Izany ny fomba
Sady ny vahiny koa mba magnaja tena
Aminy rariny izany e !
Mbola tsra e ïa e e ïa !
Mbola tsra e ïa e e ïa !
Akory naninareo jiaby e !
Mbola tsra e !
Mbola tsra a !
Ino vaovao

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

Miada-mora

Azakazaka tsy tegnan-dia
Miada-mora mahazo lavitra
Izay tia miazakazaka ka lavo
Mety voa ny maharary e
Azakazaka tsy tegnan-dia
Miada-mora mahazo lavitra
Ny mandeha mora na mianjera
Tsy ho voa ny maharary
Maraina,tolakandro na amin’ny alina
Misy  ny mpandeha
Fa mitavandra jiro
Hanazava tsara ny lalany
Maizimpito mampatahotra
Nefa anao aza taitaitra
Fa izay mihatsy anao havelao
Mba tsy ho isy ny fahasarotana

Nandalo ny fotoana
Nanidina ny hora
Tsara ampiadanana ny fihainana
Ny mandeha mora na mianjera
Tsy ho voa ny maharary e
Matahotra ianao sao dia tara
Ka tsy tafiheritreritra ny loza
Ny tsy ho azonao androany tsy ho very
Fa ho azonao
Fa ho azonao amin’ny ampitso

Ny  mitondra fiara misotro toaka mety hampididoza
Mandehana moramora ianao sao mamono ny namana
Manenina ianao rehefa avy eo, ka tara
Ny ratsy efa vita saro-panamboarana.
Mitandremo hiany fa fohy kely  ny lalana amin’ny fihainana
Aza accéléré-na f’alefaso moramora
Izay tia miazakazaka ka lavo mety voa ny maharary
Ny mandeha mora na mianjera tsy ho voa ny maharary e

Rien ne sert de courir à toi de partir a point,
Si tu cours et que tu tombes tu risques de te faire très , très mal
Rien ne sert de courir à toi de partir a point,
Si tu cours pas et que tu tombes ça va pas faire très mal.
Matin , midi , et soir, il y en a qui cour la nuit,
Qui compte sur la lumière pour éclairer son chemin.
Dans l’obscurité j’ai peur , mais je me décontracte,
Aux provocations je garde bien mes distances

Attention ! attention !

Tu cours jour après jour , sans savoir ou tu vas !
T’as pas le réflexe d’observer ni devant ni  derrière.
A tu peur de ne pas arriver à l’heure ?
Tu roules à la vitesse grand V,
Ce que tu perds aujourd’hui , tu le récupéreras demain

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MIFANKATIAVA

Sao anao tsy matoky e e
Marina fa mihodina marina ity tany
Fa nony mba miara-misangodina
Tsimaintsy mifangaro ô
Misy tsy matoky e e , marina fa mihodina
Ity tanintsika ity
Miara misangodina isika
Tsimaintsy mifangaro ô
Nefa misy lasa saina maso fanimpanina
Aiza no aleha , aiza no hitody
Aiza no hijanonantsika mandrakizay e
Fa tsy eto ô ! fa tsy eto ô !
Fa tsy eto ô ! fa tsy eto ô !

Mpivahiny izaho sy anao eto amin’izao ô
Mpiaradia aminy fiara fampijerijery e
Satria tsy fantatra na ahoana no
Hiafarany ity lalantsika
Fa mangataka ho tody soamatsara

Mifankatiava , mifankatiava havakoaby e
Fa k’aza , fa k’aza mifamono ô
Na ahoana , na ahoana ny toe-pihainanao
Na aiza , na aiza re no misy anao ô
Any indray andro isika mbola ihaona
Any indray andro isika mbola ihaona
Any indray andro isika mbola ihaona

Auteur et compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MIFIDIANA

Manarôgna  ny mahazo ô ô !
Akôry zalahy ilay valy é é ! sarôgna
Mahalafo lamba antragnon-karany razandry é
Haiko samy  olo aminy raha tiany é é
Mba mifidiana

Ny raha tsara maro ampijery
Na hitanao ratsy raha tsy hialany izay tia
Raha tsara tsy hialany kilema
K’aza ankaratsigny ny raha tian’olo
Anao koa tsy tia mangina fa mampifankaratsy é
Izay tianao karakarao ô ô !

K’aza magnano jôbogno agnalam-pary
Sao ndraiky mahazo ny lanim-boagna é é é !
Mba mifidiana
Ny raha tsara maro ampijery
Na hitanao ratsy raha tsy hialany izay tia
Raha tsara tsy hialany kilema
K’aza ankaratsigny ny raha tian’olo
Anao koa tsy tia mangina fa mampifankaratsy é
Izay tianao karakarao ô ô !

Manarôgna  ny mahazo ô ô !
Nahazo ny tsara
Manarôgna  ny mahazo ô ô !
Nahazo ny tiagna é sarôgna
Manarôgna  ny mahazo ô ô !
Sao raraka é sanjôfa
Manarôgn  ny mahazo ô ô !
Nahazo ny tsara takôfa tsara
Manarôgna  ny mahazo ô ô ! anarô nahazô

Auteur et compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MIHEVERA

Mbola tsy nahavita inona efa mirehaka
Hentiny fana-fo dia mipelika
Mahita ny mahavita soa tsy te-hitehaka
Mandolom-po aminy tsara vintana mpamosavy
Te-ahazo volabe fa tsy te-hijaly
Fa manao tandrametaka izy miasa
Anao koa te-ho sambatra
Miandrandra ny lanitra
Mba manaova kely fivavahan’amin-Adriamanitra
Ny olo efa voatendry ho manampanahy
Ny saina sy haja no maharangahy e

Anao mihevere e ! anao mihevera
Anao mihevere e ! anao mihevera
Ny hevitra tsy azo tsy aminkana
Harena tsy azo tsy ampitadiavana
Vadiana tsy vita tsy amimpitiavana
Mifandrindra havitana ny asa sarotra ô !
Mametraha fahatokisana aminy efa vita
K’aza mba mino loatra amimpanatsaho
Fahatokisana tsisy koa tsy fanaja e îa !
Arahaba fihavanana e îa !
Anao mihevere e ! anao mihevera
Anao mihevere e ! anao mihevera
Anao mihevere e ! anao mihevera
Anao mihevere e ! anao mihevera

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MIVORIVORY ETO

Mivorivory eto handiny-draharaha
Mitady izay fomba hamelomantena
Mivorivory eto handiny-draharaha
Mitady izay fomba mba hiarahantsika
Mivorivory eto handiny-draharaha
Mitady izay fomba hifankatiavantsika
Mivorivory eto handiny-draharaha
Mitady izay fomba hankafaly atsika

Asa-badidrano tsy vita raha tsy fanankonana
Ny manana namana maro mahavita asa sarotra ô !
Asa-badidrano tsy vita raha tsy fanankonana
Ny manana namana maro mahavita asa sarotra ô !

A good and a blessing to see
Brethen and sistren living in one harmony
In a rastaman preach love and unity
Because the base of our life is to live in family
Rastaman wake upe so it was so shall it be
Everybody got to follow the way of the almigthy
Better drive away evil from our community
Because devided to rule is satanic strategy

Tsisy mandenga –ndenga fa milaza ny marina e !
Manontany ny te-ahafantatra
Tsisy mandenga –ndenga fa milaza ny marina e !
Manontany ny te-ahafantatra

Mivorivory eto ô ô ô ô ô ô ô !

Asa-badidrano tsy vita raha tsy fanankonana
Ny manana namana maro mahavita asa sarotra ô !
Asa-badidrano tsy vita raha tsy fanankonana
Ny manana namana maro mahavita asa sarotra ô !

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

MORAMORA

Na tsy lavitra é !
Na tsy lavitra ny tany hiasagna
ïô îô !
Tsimaintsy himboagna rô !
Tsimaintsy himboagna aminy tomabily é !
ïô ïô !
Na tsy lavitra é !
Na tsy lavitra ny tranom-pianaragna
ïô ïô !
Tsimaintsy himboagna rô
Tsimaintsy himboagna aminy l’auto-bus
ïô ïô !
ôh ! chauffeur é !
ïô ïô !
ôh ! chauffeur a !
ïô ïô !

Moramora anao chauffeur e ia
Moramora anao chauffeur e ia
Na tsy lavitra ny tany himboantsika e  ia ô !
Na tsy lavitra ny tany himboantsika e  ïa ô !
Hazakazaka tsy tegnan-dia é  ïa !
Hazakazaka tsy tegnan-dia é  ïa !
Miada-mora mahazo lavitra é ïa !
Miada-mora mahazo lavitra é ïa !

Na tsy lavitra é !
Na tsy lavitra l’île Maurice é !
ïô îô !
Tsimaintsy himboagna rô
Tsimaintsy himboagna aminy boeing
ïô ïô !
Na tsy lavitra é !
Na tsy lavitra  Madagascar
ïô îô !
Tsimaintsy himboagna rô
Tsimaintsy himboagna aminy rôpilany
ïô ïô !

Oh pilote é !
ïô ïô !
Oh pilote é !
ïô ïô !

Moramora anao pilote e ia
Moramora anao pilote e ia
Na tsy lavitra ny tany himboantsika e  ia ô !
Na tsy lavitra ny tany himboantsika e  ïa ô !
Na ropilany miomba agnambo ia ! Na ropilany miomba agnambo ia !
Mbola ho an-tany ny hafarany arôgne ia
Mbola ho an-tany ny hafarany arôgne ia

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

RÔN-DAOKO

Avy aila mitsaka ampita rô lalina ny rano
Mitandremo anao mpanarato sao lanim-boay e !
Nandalo ny rivo-doza nihetsiketsika ny sambo
Nanonja ny ranomasina nasiaka ny antsantsa

Nihinana takariva ny laoko andrano
Ka tsy nody foana ny ampamintana
Omaly anjaranao fa mety iniany ny anjaranazy
Fa anao mahaiza mitsaka ampita e îa !

Ïa e e e e e e  e îa !
Ïa e e e e e e  e îa !

Rôn-daoko ! ïô, rôn-daoko ! ïô
Tilapia tsara atao firiry
Varilava ritrivin’amim-boanio
Makamba maiky miaro anamafana
Angivy kapoaka araiky
K’aza adino tsidimy baokany
Rôn-daoko ! ïô, rôn-daoko ! ïô
Rôn-daoko ! ïô, rôn-daoko ! ïô
Omaly ariva voan’I jamanjary
Amaray mandraigny bazary kely
Laoko sira miaraka sabeda
Rogay tamantesy tsy mafana loatra
Agnanambo miaraka laoko maiky matsiro è !
Agnanambo miaraka laoko maiky matsiro è !

Rôn-daoko ! ïô, rôn-daoko ! ïô
Rôn-daoko ! ïô, rôn-daoko ! ïô

Karibo ! Karibo ! karibo !

Matsiro ! matsiro ! matsiro !

Auteur compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

TANY MALAZA

En Afrique e ! izany edy e izy e !
En Afrique e ! izany edy e izy e !
Tany malaza mafana rô izany l’Afrique
Tany malaza mafana rô izany l’Afrique

En Australia izany edy e izy e !
En Australia izany edy e izy e !
Tany malaza be kangoro izany Australia
Tany malaza be kangoro izany Australia

Mandeha en Amerique anao mi-soul musique
Fitsinjaka en Espagne flaminkô malaza

Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tananan’anao
Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tanana tsara

Mandalo en Martinique anao mi- swingue zouké
Reggae rasta reggae man mozikany Jamaïque e

Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tananan’anao
Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tanana tsara

En Angleterre izany edy e izy e !
En Angleterre izany edy e izy e !
Mpanjaka handraindrainy vahoaka rô
Mba hitondra ny tany e !
Mpanjaka handraindrainy vahoaka rô
Mba hitondra ny tany e !

La France e izany edy e izy e !
La France e izany edy e izy e !
Tany malaza mangatsika rô izany la France e !
Tany malaza mangatsika rô izany la France e !
Te-hitsinjaka salsa anao mandehana Cuba
Foot-ball sy carnaval kilalao tiany Brésilien

Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tananan’anao
Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tanana tsara

Mitsangatsangana en Europe anao maheno rock-musique
Salegy, sega, maloya, tsapiky ny malaza any aminay e !

Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tananan’anao
Oh ! ïa e e e  e e e oh ! ïa e e e e e e tanana tsara

Mihodina, mihodina, mihodina, mihodina
Mba miboaha-boaha hely anao
Mandehandeha mahita raha mipetraka an-trano mahita jôfo

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

SARAH

Nahita anao indray mitopy maso ô ô !
Tonga dia efa sitraka ny foko o o !
Nandry tao antsaiko ny hendrikao
Sy ny fitsiky izay manambara
Fa misy ny fitiavana
Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao
Fatahorana ny teny hifanohitra
Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao
Fatahorana ny teny hifanohitra a ! ô ! Sarah

K’aza adino fa tiako ianao , ô ry Sarah malalako
K’aza adino fa tiako ianao , malalako ô
Tsy halakô fa tiakô anao , malalakô , malala

Tsy fantako na inona ny anaty fo-nao
Ny nanaitra aho dia ny hatsaran-tarehy e e !
Mety mba manam-pitia angamba ianao
Nefa tsy mahasahy miteny satria mety menamenatra
Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao
Fahatahorana ianao sao manambady
Sarotra ny miteny hoe fa tiako ianao Sarah
Fanajana ianao sao manambady ô ô Sarah

K’aza tezitra ianao na tsy tia
Na dia izaho miteny dia tsy mankaratsy
Fa mankasitraka ny hatsarana izay misy aminao

Ô ô ô ô ô ô ry Sarah
Ô ô ô ô ô ô ry Sarah

Auteur et compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

TENDROMBOHITRA

Tendrombohitra arehan-javogno ô
Lolagna arehan-drano ô
Malemy ny tany andohasaha
Vondraka omby e e e e
Sady mamoa lavanio
Misy kafe misy ny voan-jirôfo
Ray kilao amin’izany mahazo arivo
Tevy ala tsisy hataka halan’i sefo ô

Tanety mangiakiaka tsitian-javogno himboagna
Tanety be alam-bozaka tsialana kibo miraotro ô
Lolagna tsisy rano tsitianjava-maniry
Tanety mangiakiaka tsitian-javogno himboagna

A ha! A ha! A ha! A ha!
A ha! A ha! A ha! A ha!

Halan’i sefo, halan’i sefo ô
Tevy ala tsisy hataka a ha!
Halan’i sefo
Doro tanety e manimba tanindrazagna
K’aza hatao fa halan’i sefo

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

TSARA AMBAHIBO

Eh ! e e e e ia
Oh ! ia e e  ia
Manan-damasina tsy mijaly mandeha
En Europe tanim-bazaha tsara ambahibo

Eh ! e e e e ia
Oh ! ia e e e ia

Nosin-taninay mba misy ny maha-izy azy e !
Maro mankatia na dia misy mankaratsy e !

Toliara tany vagnona omby
Fianarantsoa malaz’aminy dovay
Faritra Tamatave tsisy desert

Tananarivo tany be tanim-bary
Diégo-Suarez lazany Antsiranana
Mody masoandro any Mojanga

Tsara ambahibo
Taninay tsara ambahibo
Tsara ambahibo
Nosinay tsara ambahibo

Eh ! e e e e ia
Oh ! ia e e e ia

Nosin-taninay mba misy ny maha-izy azy e !
Maro mankatia na dia misy mankaratsy e !

Eh ! e e e e ia
Oh ! ia e e  ia

Manan-damasina tsy mijaly mandeha
En Europe tanim-bazaha tsara ambahibo

Tomabily miomba ambany
Ropilany miomba anambo
Sambo-be mihanan’andrano
Mitsararaka ny TGV
Izay imboanao misy auto-route
Miolakolaka chemin de fer

Tsara ambahibo
Tanim-bazaha tsara ambahibo
Tsara ambahibo
En Europe tsara ambahibo

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

TSY LAVITRA

Anao koa te-hitsangatsangana
Aza misalasala hamangy ireto tany malaza
Malaza tsara vehivavy sady mahay misaoma
Manana mozika mampihetsiketsika
Tsy miavogn’olo handray anao am-po madio
Magnaja sady tia fihavanagna
Tsy lavitra e e Ïa ! Oh! iô !Tsy lavitra e e Ïa ! Oh! iô !
Tsy lavitra l’Afrika Madagasikara . Oh iô !
Tsy lavitra e e Ïa !Oh iô !
Tsy lavitra Comore l’île Mayotte . Oh iô !
Tsy lavitra e e Ïa !Oh! iô !Tsy lavitra e e Ïa !Oh! iô !
Hento zaho zalahaby hento mitsangatsangana
Hamangy ireto tany malaza
Malaza tsara vehivavy sady mahay misaoma
Manana mozika mampihetsiketsika
Tsy miavogn’olo handray anao am-po madio
Magnaja sady tia fihavanagna
Tsy lavitra e e Ïa ! . Oh iô !Tsy lavitra e e Ïa ! . Oh iô !
Tsy lavitra la Réunion Madagasikara . Oh iô !
Tsy lavitra e e Ïa ! . Oh îo !
Tsy lavitra Rodrigue l’île Maurice . Oh iô !
Tsy lavitra e e ïa ! . Oh iô !
Tsy lavitra Seychelle l’île Mahé Oh iô !
Tsy lavitra e e ïa ! . Oh iô !Tsy lavitra e e ïa ! . Oh iô !
Indesa izy vola e ! Oh îo !
Indesa mitsangatsangana Oh îo !
Hamangy ireto tany malaza Oh îo !
Tsy lavitra e e Ïa ! . Oh iô !Tsy lavitra e e Ïa ! . Oh iô !
Tsy lavitra e e Ïa ! . Oh iô !Tsy lavitra e e Ïa ! . Oh iô !

Auteur compositeur: Fontaine Paul Marius

………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

VOA MARARY AZA MAMALY

Voa marary aza mamaly
Mamaly anao rô vinanto ô
Voa marary aza mamaly
Mamaly anao rô vinanto ô

Manano mangina tsy mora rô rafotsy e ô îa !
Fa izy koa tezitra anao karaha te-hilefa neny e ô ia

Manano mangina tsy mora rô rafotsy e ô îa !
Fa izy koa tezitra anao karaha te-hilefa neny e ô ia

Viavy be-faraha, be-fitia rô zanako ô
Vady koa tiana tsimaintsy farahina zavavy e ô îa

Viavy be-faraha, be-fitia rô zanako ô
Vady koa tiana tsimaintsy farahina zavavy e ô îa

Lehilahy  saro-piaro mba misy fitiavana zalahaby e
Fa izy koa dila manjary karaha te-hampiady e ô îa

Lehilahy  saro-piaro mba misy fitiavana zalahaby e
Fa izy koa dila manjary karaha te-hampiady e ô îa

Halan’i Dady e miady viavy e
Halan’i Dady e tsy manefa viavy e
Halan’i Dadilahy e viavy be-faraha
Halan’i Dadilahy e viavy tsy manaja vady e

Auteur et compositeur: Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

ZAHO TSY RAFINAO

Zaho tô tsy rafinao ô !
Sao anao miheritreritra fa
Zaho mandratsy anao
Fa mba mankasitraka
Ny asa tsara izay vitanao

Zaho tô tsy rafinao ô !
Sao anao miheritreritra fa
Zaho malaina anao
Fa mba mankatelina
Izay antsa tsara ho anao

Zaho ty tsy rafinao ô !
Sao anao miheritreritra fa
Zaho mandratsy anao
Fa mba mankasitraka
Ny asa tsara izay vitanao

Zaho ty tsy rafinao ô !
Sao anao miheritreritra fa
Zaho malaina anao
Fa mba mankatelina
Izay antsa tsara ho anao

Re-gasy

Ny resaka mozika samy manao izay takatra ny sainany
Tsisy fanenanana fa samy manao izay tiany
Fa zaho tsy rafinao ô !
Raha misy tsy mahamety ny hataoko
Tsy anao ny diso ô!
Fa anjarako ny manao izay tokony ahamety ny anahy e !
F’anao tsy rafiko ô !

Tsy mandratsy anao
Tsy malain’anao
Tsy matahotr’anao
Ka tsy milef’anao ô !

Zaho tsy rafinao ô!
F’anao tsy rafiko ô!
Tsisy fanenanana fa samy manao izay tiany
Raha misy tsy mahamety ny hataoko
Tsy anao ny diso ô!
Fa anjarako ny manao izay tokony ahamety ny anahy e !
F’anao tsy rafiko ô
Rehefa tsara ny mozika lasa mazava ny fo
Ny tonon-kira tsara mampisokatra ny saina
Ny mankafy ny ataoko mety mankatia ny anao
Ny manampy anao mba mety hanampy zaho
F’anao tsy rafiko ô!
Fa zaho tsy rafinao ô !

Auteur et compositeur: Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

Sao tsy any

 Mbola mihoatra dimampolo isanjatony halalahany tany

Ny hamarozantsik’izao fa mbola vaovelony e !

Raha hatao ampahedrena ny fiaraha-monina

Mbola hanjafiagna , hanjafiagna ,

Ny zafiny , zafiny , zafiny , zafintsika

Mirary mba ho ela velona isaka tsirairay

Ary samby mitady ny fahasalamana izany ny hasambarana

Tsara no mandresy na dia maro ny raha ratsy

Tsara koa zany ny fihainagna matoa anao tsy mamono tegna

Atsika mba k’aza mifamono ô ! ïa ! e !e !

io tsy lalagnan-Dragnahary

 Sao tsy agny ny lalagna

Mitandremo anao sao very

 Nataony Andriamanitra tsotra hiany ny lalagna tokony arehagna

Nampitombositsika andrivony isanjato ilay didy folo nomeny

Zagnaharinao io ô ! mba zagnaharinakahy

Na dia samy hafa ny fiantsoagn’azy f’izy maheno sady mahalala

Samby managna ny fiteniny ary samby managna ny lokony

Na samby managna ny finoany nefa ny marigny tokana hiany

Anao aza gaga na lany fagnahy raha misy ny tsy fitovizana

Trandraka milevina antanimena volontany ny arehany

Atsika mba k’aza mifamono ô ! Anarô tia magnano la gera

Fa io tsy lalagnan-Dragnahary

Sao tsy agny ny lalagna ; mankany amin’izay tianao aleha

Mitandremo anao sao very ; very any aminy maizimpito

 Auteur et compositeur : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

Mambolia vary

Mambolia vary

Tarimia ny biby é !

Amin’izany antegna voky

Sady mba mahazo vola

Izany raha hamelogno ô !

Vidim-bolamena koa efa

Tsy misy valerany é !

Mamono hantoka

Fahasarotany hasa harerahagna ny azo ô !

Fa ambila-mbila

Mambolia ny mahôgo

Mambolia ny batata

Mambolia katakata

Mambolia ny vary

Na anao manam-bola

Ravim-bola io tsy mety ohanigny é !

Hambolia ny vary é !

Fa ny mpahandro tsy hofatiny mafo

Finoa ny kibonao mba tsy hivezivezeny ny fanahy

Tsy hoe mivelogno hisakafo , fa misakafo anao mba ho velogno

Mambolia ny mahôgo

Mambolia ny batata

Mambolia katakata

Mambolia ny vary

Môsikiky miaraka aminy boantamo

Salisaly akoho firiry katakata

Antsiary manga ndraiky tsôha matsiko

Tsy mandrimery na tsisy vary

Mambolia ny vary é !

 Auteur et compositeur : Fontaine Paul Marius ( Fenoamby )

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

LASANY AMPAGNARIVO NY VOLA

Oh ! ho ! oh ! oh !

Oh ! ho ! oh ! oh !

Antegna mba mantrentreky miasa é ïa

Nefa lasany ampagnarivo ny vola

Antegna ny mamôrogno tsanganasantegna

Nefa mpamabo tsisy ampanambotro

Izy omam-boky antegna mosary é !

Magnano velontegna aminy angôvon’olo

Tsy hoe mangalatra fa mandrava

K’aza mangala raha tsy nianaô ô

Ny olo tavandraigny mba hagnampy ategna

Mety efa lasa matimatim-bola

Tsy hay fahavalo na havanao

Antegna tsy commissaire . Fa mpamboly cultivateur

Na tsy fanjakana fa mba tompony tany

Zaho magnantegna anao hagnaraka didy é !

Mba hiaro ny fanagnana aminy asa vita

Atôva ny hasanao miaramila é ! ïa !

Atôva ny hasanao commissaire é ! ïa !

Samy mba magnano ny andraikitranazy

Ny piraty magnano piraty

Izy koa takatra mandoa l’amende

Tsisy risoriso fa magnara-dalagna

Mba amiagna lanjany ny fanagnanantsika

Io ny hafantaragna fomban-drazagnanao ô !

K’aza mba baboina fa mamono antoka

Mamono antoko atsika miavagnaby

Mamono antoko amin’izay tompon’i hasa

Risoriso mandrobaka lalàgna

Risoriso mandrobaka fihavanagna

Qui détruit la loi c’est la corruption

Qui détruit la famille et l’amitié c’est quoi ? parfois c’est l’argent

Pôlitikin’i magnano tsara vela-tsihy magnarato vahoaka

Pôlitikin’i magnano fandriky ankibitsoko mamintagna mpifidy

Attention l’hameçon poisson Attention l’hameçon poisson

Attention ça c’est poison . Manan-janaka matiny mosary . Antegna ray-amandreniny ny hafa-baraka ( Voany egnamaso )

Politique nafangaro la mozity firafira mboan-kapa

Fitiavam-bola loatra ndraiky nandafo tanindrazana è

Ndraiky nandafo tanindrazana

io tsimety é ! Fady atsika zègny è ! tandrema tandrema

Voa hifogno aminy Razam-be è godagnindolom-bôkatra iô baka ! Lôfony

Mifohaza atsika é ! fa kiaka ny andro ô !

Auteur et compositeur : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

 

Auteur et compositeur : Fontaine Paul Marius ( Fenoamby )

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

 

Mambolia vary

Mambolia vary . Tarimia ny biby é !

Amin’izany antegna voky . 

Sady mba mahazo vola

Izany raha mamelogno ô !

Vidim-bolamena koa efa

Tsy misy valerany é !

Mamono hantoka

Fahasarotan’asa harerahagna ny azo ô !

Fa ambila-mbila hely

Mambolia mahôgo

Mambolia batata

Mambolia katakata

Mambolia vary

Môsikiky miaraka aminy boantamo

Salisaly akôho firiry katakata

Atsiary manga ndraiky tsôha matsiko

Tsy mandrimery na tsisy ny vary e !

Mambolia vary é !

Mambolia mahôgo

Mambolia batata

Mambolia katakata

Mambolia vary

Na anao manam-bola

Ravim-bola io tsy mety ohanigny é !

Mambolia vary é !

Fa ny ampahandro tsy mety ho-matiny mafo

Fenoa ny kibonao mba tsy hivezivezeny ny fanahy

Tsy hoe mivelona hisakafo ,

Fa misakafo anao mba ho velona ô !

Auteur compositeur Fontaine Paul Marius (Fenoamby)

Sory sakalava

Rotsirotsy fanala sorisory . Takariva ampandrahoana ny sakafo ô ! ô !

Ankifidy , angano , sy ankamantatra . Ny anjara tantaran’i Dadilahy

Sambôra ny valiha . Miaraka faray sy kabosy

Hitsofa tsara ny korodôgno ambava . Rangôta môramôra ny gitara

ïa ïe ! eny a ! ïa ïe ! eny a ! ïa ïe ! eny a ! ïa ïe ! eny a

Sory é ! sory é ! Sory sakalava

Sakalavan’inô . Ino riadriaka

Azôvy é! azôvy é . Tsy handray anjara fa mankafy

Fa mamporisik’izay manalazy

Anio ô ! anio ô ! Atsika jiaby mila hafa-po

Tsisy malahelo fa ravo

Karibo ô ! karibo ô ! K’aza megnamegnatra midôla

Misôma atsika , fa tsy misôna

Sory sakalava

Sakalavan’inô .

Ino riadriaka

Magnetsiketsiky é

Ny misôma zaza é

ïa ïe ! eny a ! ïa ïe ! eny a ! ïa ïe ! eny a ! ïa ïe ! eny a !

Auteur Compositeur : Fontaine Paul Marius Fenoamby

Nody masôva

Anao navy tagny atsimo . Andeha agnavaratra .

Nony mbola lavalava ny lalagna himboagna .

Karibo antragno anao ô ! Fa ho aligny ny andro .

Malalaka tsy mangatsiaka , tsy mafana ny ato aminay .

Misy farafara sy kidoro mety hatoriagna .

Mijanogna anao mangala ny hakajoagna .

Fa amaray mandaigny anao manohy ny lalagna .

Raiso am-po madio ô ! Ny haja omeko anao .

Oh ! ny haja omeko anao ô

ô ! Hafaliagna ho anahy e ny magnano tsara anao

Nody masôva lasa mena rôndro .

Navy tampoka ny vahiny ,

Karibo antragno anao ô ! K’aza miafahafa

Ato misy dite ronono , kafe mafana sy mokary é !

K’aza megnamegnatra anao , fa ato tragnon-kavagna

Atsika niany miara-misakafo .

Atsika niany miaraka migiaka

Atsika niany é ! hifampiresadresaka

Hitantara ny misy agny . Agny aminarô .

Ino zaka tsara nihentanao avy agny ?

Vaovao tsara é ! Tsara ny agny aminay !

Maha-gôma . Zaho manimanigne .

Mahatsiaro ny havagna agny é

Nody masôva lasa mena rôndro

Arivariva ny andro ô hô !

Nody masôva lasa mena rôndro

Karibo anao vahiny é hé ! Aza miafahafa

Auteur Compositeur : Fontaine Paul Marius Fenoamby